- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofotsy : Tetezana tapaka, olona am-polony latsaka tanaty rano

Ambatofotsy : Tetezana tapaka, olona am-polony latsaka tanaty rano

Olona maro no latsaka tao anaty rano omaly, vokatry ny firodanan’ny tetezana iray teo Ambatofotsy. Soa  anefa, fa efa somary nidina ny rano ka avotra soa aman-tsara sy tody teny amoron-drano avokoa ireo latsaka. Na izany na tsy izany, dia hatairana  ny an’ny rehetra raha naheno ity vaovao ity. Tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka fahefany teo no nitranga ny loza. Tsara homarihana anefa hoy ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay tonga haingana teny an-toerana, fa tsy ilay tetezana lehibe, izay nampitohy ny lalam-pirenena fahafito amin’izao akory ity nirodana ity, fa ilay tetezana taloha; izay efa tsy miasa intsony amin’izao. Na izany na tsy izany anefa, dia marobe ireo olona mifamezivezy eo amin’io toerana io. Ary mazàna dia ataon’ny olona toeram-pivarotana eo ambonin’izany tetezana izany. “Nisy maromaro ihany moa ireo olona teo ambony teo, saingy nandeha tsikelikely ilay fahatapahana ka mbola afaka nihazakazaka namonjy ny sisiny roa ny ankamaroan’ny olona teo izay mpivarotra sy mpandeha an-tongotra noho ny andro tsena eny an-toerana. Vantany vao nitranga izany, dia niezaka namonjy ireo olona latsaka tao koa ireo  rehetra teny amoron-drano sy ny mponina” hoy ny fampitam-baovao hatrany. Tonga teny  an-toerana nisehoan’ny loza avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, nahitana, ny teo anivon’ny zandary sy ny mpamonjy voina. Na dia voalaza aza fa avotra avokoa ireo latsaka, dia nisy ihany ny fikarohana natao, nandritra ny ora maromaro teny an-toerana, nentina nialana nenina. “Taorian’izany fikarohana izany dia nambara fa tsy misy olona raikitra na voatsindry na maty an-drano noho ny fianjerana tao anaty renirano, na naratra noho izany teny an-toerana” hoy hatrany ny vaovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici