Noho ny ezaky ny Zandary mampandry fahalemana any Malaimbandy, Distrikan’i Mahabo izay notarihin’ny komandà Nadezy, avy ao amin’ny Cirgn Toliara, dia jiolahy rain-dahiny miisa fito malaza ratsy sy ikoizana amin’ny fanaovana “kidnapping” sy fanafihana mitam-piadiana mahery vaika amin’iny faritra iny no azo sambo-belona. Dahalo enina hafa kosa maty voatifitry ny mpitandro filaminana. Araka ny tati-baovao voaray, dia ny sabotsy teo no natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Morondava ireto mpaka takalonaina an-keriny tra-tehaka.
Eric Manitrisa