Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nahafatesana olona indray tany amin’ny RN2, ny harivan’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 5 ora, tao Antsahatsaka, 6 km miala an’i Moramanga tampon-tanàna. Fiara lehibe iray no nanitsaka tovolahy iray vao herotrerony nitaingina môtô, ka maty tsy tra-drano ity farany, izay voahitsaky ny kodiaran’ilay kamiao lohan’ity niharan-doza, ka nipotsaka tery an-tsisin-dàlana ny betrony (atidohany).
Eric Manitrisa