- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTovolahy voatsindrona antsy teo amin’ny tratrany

Tovolahy voatsindrona antsy teo amin’ny tratrany

Namonjy alim-pandihizana disco ny tanora maro tamin’ny alatsinainy ny Paska lasa teo iny. Tamin’ny toerana maro no nisian’ny fihetsiketsehana toy izao. Mba nisy koa ny tao amin’ny fokontany Ambohitrankongona, kaominina ambonivohitra sy distrika Sambava. Mandeha dia mandeha tokoa manko ny fivarotan-toaka hisotroina raha manala azy amin’ny fotoana toy izao. Tamin’io alina io àry, raha tsy nanana zanabola famerina ny mpivaro-toaka iray nolalovan’ny mpividy entana dia nirahin- dramatoa iray mba hanakalo vola 1.000Ar avadika ho zanabola ny tanora iray 18taona. Mpiara-monina sady olom-pantatr’izy ireo tsara io tanora io. Saingy tsy tafaverina haingana be ilay namita ny iraka. Tsy fantatra na asa noho ny fahataran’ilay tanora nirahina hanakalo vola na hasarotam-piaron-dralehilahy vadin-dramatoa nasesiky ny hamon-toaka no nahatezitra an’ilay lehilahy? Nalain’itsy lehilahy itsy ny antsy maranitra ary natrobany tamin’ilay tanora nirahina. Niletra teo ambany helik’ilay tanora ny antsy maranitra ka nandalo eo ambanin’ny fo ary namantana nandoaka teo ambany vavafo. Efa nentina sy naiditra ao amin’ny hopitalibe CHRR ao Besopaka –Sambava ilay tanora naratra ka asa mbola ahavelona azy ny fery nahavoa azy.

REMI, Rakotonirina

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser