Niainga tao an-tranony ity raim-pianakaviana iray ny alahady teo ka handeha hiasa hanao itony asa fiambenana na sécurité itony, nandrasan’ny fianakaviany izy ny alatsinainy teo, saingy tsy tonga niverina tao an-tanàna intsony. Efa very hevitra ny fianakaviana ka nanao ny fomba rehetra nitadiavana azy, eny fa hatrany amin’ny toeram-piasany aza anefa tsy nahita azy.
Ny talata 22 avrily no nisy nampilaza ny fianakaviany fa hita tany anaty rano ny razana efa nataon’ny dokotera fizahana moa ny razana ka tsy nahitana ratra na vono fa ny fisotroana alikaola no fantatry ny dokotera ka nanambarany fa mety mamomamo ity lehilahy ity no nidina nilalao rano.Tsy nisy nahita anefa izy tamin’izany ka nilentika ary tsy nahavonjy tena intsony ka maty irery tao anaty rano. Eny Ambatolampy-Tsimahafotsy moa ity lehilahy ity no miasa.
ALEM