Ny alin’ny 22 avril teo no nitrangana savorovoro tetsy Anosimasina . Fipoahana andrin-jiro nitarika fahatapahana jiro maharitra sy matetika no nipoiran’ny olana ;efa tamin’ny asabotsy teo tokoa mantsy no namboarina ny andrin-jiro lehibe iray ka natao tamin’ny fomba haingana sy tsy maharitra izany hiatrehana ny fety. Niverina amin’izay ary ireto mpiasan’ny JIRAMA ny talata alina teo hamita sy hanatsara ny asa no notsenain’ny andian’olona telon-jato eo ho eo ka niantsoantsoin’izy ireo ny hoe « delestage fona nefa ny vidin-jiro mpidangana izy tsy izy », nokorontanin’izy ireo teo moa ireto mpiasan’ny JIRAMA tonga teny an-toerana ka tsy afaka nanao ny asany. Voatery tsy maintsy nidina teny ny zandary sy ny polisy nandamina ny raharaha, tsy maintsy nojerena ireo manodidina sao misy ny fihoaram-pefy ataon’ny sasany na koa fanararaotana ataon’ny hafa manoloana ny savorovoro toy ireny.Efa tany amin’ny iraika amby folo alina tany ho any vao vita tanteraka ny fanamboarana teny an-toerana.
ALEM