- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Andian-jiolahy rain-dahiny, voasambotry ny zandary

Ambohidratrimo : Andian-jiolahy rain-dahiny, voasambotry ny zandary

Nisesisesy tokoa ny asan-jiolahy tany amin’iny faritra Ambohidratrimo sy ny manodidina iny. Izay indrindra no nanosika ireo zandary any amin’iny faritra iny tsy hikely soroka hiady sy hikaroka ireo mpanao ratsy. Ny faran’ny herinandro lasa teo ary, dia andian-jiolahy raindahiny ary efa ela nokarohina no voasambotry ny zandary tany Ambohijanaka. Telolahy izy ireo. “Efa ho herin-taona no nikarohana ny iray tamin’izy ireo, izay fantatr’ireo voatafika sy ny fokonolona ka re fa nandalo tao amin’ny trano izay efa nilaozany ela indray izy ny 11 janoary teo. Nandefa ireo mpanao fisafoana teny Ambohimanjaka ny Komandin’ny brigady Mahitsy mba hanamarina izany ka indro fa tena tao tokoa ity jiolahy ity ka noraisim-potsiny. Nanoro ireo namany hafa mpiara-manafika aminy izy rehefa natao ny famotorana ka voasambottra koa ireo lehilahy 2 hafa tany Ambohidratrimo. Mbola tratra tao amin’izy ireo koa tamin’izany ny entana nangalarin’izy ireo tamin’ny taona lasa sasantsasany, toy ny radio, panneaux solaires sns”, hoy tatitry ny zandary. Ny alatsinainy lasa teo no natolotra teny anivon’ny fampanoavana ireo olon-dratsy ireto ka nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Marihana fa efa fitairanana tsy latsaky ny valo no tonga eny anivon’ny zandamariam-pirenena mahakasika ireto fanetriben’ny firenena ireto. Ny talata lasa teo aza dia mbola nisy tokantrano telo hafa indray nametraka fitoriana mahakasika azy ireto, rehefa nandre fa tratra ry zalahy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici