Nafotaka ny fifanenjehana omaly teny amin’iny faritra Androndrakely sy ny manodidina iny, teo amin’ireo hery vonjy taitry ny kaomisaria na ny UIR sy ireo olon-dratsy izay fantatra fa isan’ireo rain-dahiny amin’ny fanaovana fanafihana mitam-piadiana. Vokany, olona dimy ny voasambotr’ireo pôlisy ireo, niaraka tamin’ny basy iray. Mbola misy kosa ireo karohina fatratra amin’izao fotoana izao, izay fantatra fa miaraka amin’ny basy mahery vaika. Fanafihana sy fihazonana fitaovam-piadiana, fikambanan-jiolahy, ireo no fantatra fa isan’ny hanenjehana ireo olona voasambotra ireto izay efa narahana maso sy tratra tanaty velam-pandriky ny pôlisy. Niainga teny Antanimena ny fisamborana azy ireo, rehefa nahazo loharanom-baovao ireo mpitandro filaminana, omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 3 ora teo ho eo. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo pôlisy avy amin’ny UIR, nanatanteraka ny fisamborana. Roalahy no tra-tehaka teo. Ireo farany indray avy eo no nanoro ireo namany ary teny Androndra akaikina tobin-tsolika iray no nomena fotoana. Nidina avy hatrany teny amin’ny faritra notondroina indray ireto pôlisy ireto. Teo no velona ny fifanenjehana rehefa nahatsikaritra zavatra hafa ireto olona hosamborina, na izany aza, noezahina tsy hisy fifampitifirana teo amin’ny roa tonta, raha ny fanazavàna azo. Nony ela, voasambotra ihany ny telo tamin’ireo olon-dratsy, raha tafaporitsaka kosa ny iray tamin’izy ireo, izay voalaza fa nitondra basy. Mbola mandeha araka ny fanadihadiana sy ny fikarohana ity farany. Ireo tratra kosa dia nentina avy hatrany tany amin’iny kaomisaria nanaovana famotorana.
m.L