- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Tokatrano voatafika, voafatotra tongotra aman-tanana ny tompon-trano

Alasora : Tokatrano voatafika, voafatotra tongotra aman-tanana ny tompon-trano

Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’iny faritra Alasora iny, ny marainan’ny alarobia lasa teo. Tokantrano teny Ampangabe, ao amin’ny fokontany Miadana, kaominina Alasora no lasibatry ny jiolahy nirongo basy. Miisa roa izy ireo raha ny tatitry ny zandarimariam-pirenana ary samy nitondra basy poleta. Avy hatrany dia nanapoaka basy ireto olon-dratsy nentina nampitahorana ireo manodidina sy ireo tompon-trano. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nifehezan’izy ireo, ireo olona rehetra tao amin’ity tokatrano voatafika ity : izy mivady lehibe niaraka tamin’ireo zanany efatra. Tsy ela dia efa tsy afa-nihetsika intsony izy ireo, nifatotra tongotra aman-tanana. Tao anatin’izany no nanaran’ireto olon-dratsy fo nibata izay zakany sy nisava ambony ambany ilay trano. Vola manodidina ny enina hetsy ariary teo ho eo no lasa, niaraka tamina entana elektrônika lafo vidy maromaro. Taorian’ilay fanafihana vao afaka niantso vonjy ireo niharam-boina. Tonga teny ny zandary saingy efa tsy tafaporitsaka ireo olon-dratsy. “Ny marainan’io ihany dia nakàna alika mpitsongo dia ka nisy olona maromaro nipetraka tsy lavitra teo no noahiahiana ho nahavanona ny loza taorian’izany. Niantsoana ireo manam-pahaizana manokana amin’ny « police technique et scientifique » avy eny amin’ny sampan-draharaha mpanao fikarohana momba ny heloka bevava eny Fiadanana  nanao fampitahana ny dian-tongotra hita teo amin’ny varavaran-kely sy ny an’ireo voarohirohy ka mbola eo am-panaovana izany fampitahana izany izy ireo amin’izao ao amin’ny « laboratoire »” hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary. Araka izany dia efa ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ireto farany. Inoana fa tsy hoe ela dia ho fantatra ireo mpanao ratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici