- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMaroantsetra : Lahy antitra maty notafihan-jiolahy mirongo « kalach »

Maroantsetra : Lahy antitra maty notafihan-jiolahy mirongo « kalach »

Ny alarobia teo dia tranga tsy mbola fiseho tao amin’ny kaominin’Anjahana distrikan’i Maroantsetra no nitranga tao amin’ireto mpivady mpamboly sy mpanangom-bokatra lavanilina sy jirofo irery tao an-trano ireto. Andian-jiolahy niisa 12 mitondra basy “kalaky” no nanafika azy mivady efa antitra ireto, noho ny voalaza fa fisian’ny vola be tao amin’izy ireo noho ny varotra jirofo sy lavanilina fanaon’izy ireo. Raikitra ny sakoroka tao an-trano nandritra izany noho ny fiarovan’ilay rangahy be ny fananany sy ny ramatoa vadiny; maty voatifitr’ireto andian-jiolahy bala telo teo amin’ny fony sy ny lohany tamin’izany ny tenany ka maty tsy tra-drano, ilay ramatoa be vadiny kosa mbola afaka nentin’ny fokonolona namonjy toeram-pitsaboana tao Maroantsetra taorian’ny fialan’ireto andian-jiolahy ny zavatra notadiaviny izay tsy fantatra mazava ny sandan’ny vola lasan’izy ireo nandritra izany hatreto na voan’ny bala teo amin’ny tratrany sy voadaroka mafy tamin’ny lohany aza, ary mbola mitsabo tena hatramin’izao noho ny fahavoazana nahazo azy. Raha tsy afa-nanohitra ny olona noho ireto andian-jiolahy ireto nitondra basy sy nanapoapoaka izany tao an-tanana nandritra izao fanafihana izao, taty aoriana dia nanao fanarahan-dia izy ireo, ka ireo rehetra henon’izy ireo fa mifaningotra tamin’ity fanafihana tao Anjahana ity rehetra dia niharan’ny fitsaram-bahoaka avokoa ka efa tafakatra 05 no maty hatramin’izao. Norahonan’ireto fokonolona ihany koa ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ary ireo olom-panjakana ao Maroantsetra tsy hiditra sy hanakana izao raharaha izao, fa izy ireo ihany koa no hiaran’ny fitsaram-bahoaka raha manao izany, ka samy mitazam-potsiny tsy hiverenan’ireo sakoroka efa nisy tany an-toerana ny taona lasa. Mbola manohy ny fikarohana ireto andian-jiolahy nanao fanafihana ka nahafaty lahy antitra sy nandratra mafy ramatoabe ireto fokonolona ireto hatramin’izay, ary milaza ny tsy hijanona raha tsy ringana ireto andian-jiolahy ireto sy ireo mety ho mpiray tsikombakomba rehetra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici