Asa na hoe sasatry ny miaina ity lehilahy iray ity ka eny am-bavaravan’ny mpamosavy tokoa ny manoko sikidy. Fiarana manamboninahitra iray izay miasa ao amin’ny Bianco mantsy no nangalariny rehefa hitany nipetraka teny Analakely. Ny herinandro teo ranamana no tra-tehaky ny zandary raha teo am-pangalarana « batterie »-na fiara iray, izay voalazany fa nentiny hamelomana ilay fiara halatra, teny amin’iny faritra Ankazomasina Imerimandroso iny. Teo am-panaovana fisafoana mihitsy ireto zandary ireto no sendra ity lehilahy iray izay hafahafa fihetsika teo am-pamahana an’ilay « batterie » handeha hangalarina. Mailo tamin’izany ireto mpitandro filaminana ka nanatona ary nanontany ilay rangahy. Namaly tsotra izy io fa « handeha hamelomany ny fiarany izay nijanona tsy lavitra teo io « batterie » nalainy io, satria tsy velona ilay azy ». Sendra ny andro ratsiny anefa fa tonga teo ihany koa ny tompon’ilay fiara ary nanamafy fa tsy mahafantatra an’ilay rangahy velively. Rehefa notohizana hatrany ny fanadihadiana an-dranamana ka nasaina nentina tany amin’ilay fiara voalaza fa maty izy. Teo vao nitranga ny nafenina, fa hay tsy fiarany velively io fiara fa mbola nangalariny ihany koa ny faran’ny taona teo. Ary io manamboninahitra kolonely io no tompony. Raha ny fanazavàna azo hatrany dia efa raindahiny tanteraka tamin’ny fangalarana fiara sy ireo pitsopitsony ity rangahy iray ity. « Efa mpamerin-keloka satria efa nisazy in-droa teny am-ponja teo aloha izy noho ny raharaha halatra hatrany », hoy hatrany ny vaovao. Tamin’ny voalohandohan’ny herinandro teo no natolotra ny Fampanoavana ity mpangalatra fiara ity ary nampidirina vonjimaika teny Antanimora. « Tsy mandehandeha amin’izao fotsiny ireny zandary izay tazana manao fisafoana ireny fa sady afaka manoro hevitra sy afaka manampy ireo mponina manana ahiahy amin’ny ankapobeny mikasika ny filaminana, no mijery ihany koa izay mety ho fandikan-dalàna efa miseho ka manatsahatra izany, ary indrindra indrindra misoroka ny tsy hisian’izany », hoy hatrany ny fanazavàna azo.
m.L