- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilÀ lireFilan-dratsy sy fanolanana : Notambazan’ny dadatoany vola ariary 100 ilay ankizivavy

Filan-dratsy sy fanolanana : Notambazan’ny dadatoany vola ariary 100 ilay ankizivavy

Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy. Zazavavy kely vao 7 taona monja no simba tanteraka rehefa naolan’ny dadatoany tao an-tranony. Araka ny fanazavàna azo dia notambatambazan’ity farany vola ariary zato monja ilay zazavavy, ary avy eo nampiharany ny filan-dratsiny. Ny talata lasa teo no nitranga ity zava-doza ity tao amina distrika iray tao avaratra andrefan’Antananarivo tao. Raha ny fantatra dia irery tao an-trano ity ankizivavy ity sy ny zandriny kely. Tsy tao an-toerana kosa ireo ray aman-dreniny. Tamin’io fotoana io no nohararaotin’ilay rahalahin-drainy izay monina eo an-tanana ihany no nampiantso ilay zokiny, rehefa io notambazany vola io. Tsy nisy nahafantatra ny zava-nisy mihitsy ireo ray aman-dreniny nony tonga avy tany amin’ny nalehan’izy ireo tany, raha tsy ny ampitso rehefa hita somary hafahafa ny fandehan’ilay zaza. Mahin-dratsy ihany ilay reniny ka nitondra avy hatrany ilay zaza tany amin’ny mpitsabo. Teo no fantatra fa niharan’ny fanolànana ity farany ary simba tanteraka vokatr’izany. Rehefa nanontaniana moa ity farany dia nilaza na dia natahotra aza fa ilay dadatoany ihany no nahavanon-doza. Fantatra moa efa misy ny fitarainana napetrak’ireto fianakaviana ireto tany amin’iny mpitandro filaminana. Efa mandeha araka izany ny fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici