Zazalahikely iray vao valo volana monja raha misy, no saika hahohoky ny reniny teny amin’ny ranomasina, akaiky ny ala honko, ambadiky ny « Jardin de la mer » Toliara, omaly tokony tamin’ny 10 ora sy sasany. Vehivavy telo avy naka drakaka vao maraina hamonjy fodiana nandalo tsy lavitra teo no nahatazana ny zava-misy, ka nijanona nandinika ny zavatra ataon’ity ramatoa iray. Nanatona avy hatrany ireto mpaka drakaka raha vao naheno an’ilay zaza nitomany toa mitaraina, ka nitsoaka avy hatrany niaraka tamin’ilay zanany ity renim-pianakavina tanora manodidina ny 30 taona eo. Raha ny angom-baovao nandritra ny fanadihadiana natao, dia voalaza fa tsy dia salama saina loatra ity ramatoa iray monina eny Mahavatse, izay nikasa hamono ny zanany ity, ary tsy vao sambany ny tranga toy izao nataony. Araka ny fanazavan’ ny iray amin’izy telo vavy nanavotra an’ilay zaza, dia efa elaela no mody noloman-dreniny tao anaty ranomasina ilay zaza, ka io fihetsika hafahafa io no nanaitra azy ireo.
Eric Manitrisa