- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Vary lo 10 taonina tra-tehaka tamina magazay karàna

Toliara : Vary lo 10 taonina tra-tehaka tamina magazay karàna

Mba ho fiarovana ny fahasalamam-bahoaka, dia vary simba sy lo ary lany daty milanja 10 taonina no nodorana, afakomaly antoandro tamin’ny 12 ora, teny amin’ny tany malalaka akaiky ny seranam-piaramanidina Andranomena Toliara II. Mpamongady teratany karàna iray mpivarotra ao Bazaribe Toliara no tompon’ireto vary simba sarona. Raha ny fanazavana azo, taorian’ny fanomezam-baovao marim-pototra avy tamin’olona tsara sitrapo ny mpitandro filaminana, dia nidina ifotony nanao ny fitsirihana sy ny fisavana ny magazain’ity karàna iray tao Andabizy ny avy ao amin’ny fitsarana sy ny polisim-pirenena, ka sarona tao ireo vary efa simba tanteraka, izay saika mbola hamidy sy haparitaka teny an-tsena.

Manapoizina vahoaka. Ary mbola misy ihany koa siramamy efa simba niaraka tamin’ireo vary, izay tsy mbola nomen’ny tompon’andraikitra hatreto ny fatran’ ireo siramamy. Noho ny fandikan-dalàna misy dia nogiazana ilay magazay, raha afaka miriaria eran’ny tanàna miandry ny fotoam-pitsarana azy kosa ilay karàna. Araka ny loharanom-baovao azo, dia mbola misy vary simba sy entana lany daty hafa miafina anaty magazay maro, ka mbola eo am-pikarohana an’ireo entana tsy azo amidy na hanina, manapoizina ny fahasalamam-bahoaka ny tompon’andraikitra. Efa eo am-pelantanan’ny fitsarana ny raharaha ankehitriny, ka ho hita eo ny ho tohiny.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici