- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Vazaha hita faty tao an-tranony, nifatotra ny tanany, nosesehana ban-kiraro...

Antsirabe : Vazaha hita faty tao an-tranony, nifatotra ny tanany, nosesehana ban-kiraro ny vavany

Nifatotra tamina “fil” ny tanany, notsentsenana ban-kiraro ny vavany sady nafatotra tamina “scotch”. Feno mangana ny vatany ary nandriaka ny rà tao an-tokantranony. Ireo no nahitana ilay teratany vahiny tao amin’ny efitranony ny marainan’ny Sabotsy teo. Tao amin’ny fokontany Ambohimiandrisoa no nisehoan’ity vono olona mahatsiravina miharo habibiana sy halatra ity. Fantatra mantsy, fa nisy namaky ny tranon’ilay vazaha ny alin’ny zoma hifoha Sabotsy. Raha ny fahitana ny efitranony, dia nisy zavatra hafa mihitsy nokarohin’ireo olon-dratsy, satria mikorontana ambony ambany avokoa ny fanaka tao aminy. Mipetra-drery ity teratany vahiny ity , tokony ho 62 taona,  mivezivezy eto an-toerana sy any ampitan-dranomasina izy matetika, saingy efa nanorim-ponenana tao Ambohimiandrisoa. Fantatra fa vao efatra andro izy izao no tonga teto indray, ny alin’ny nahatongavany dia nisy efa-dahy nikasa hamaky ny tranony, saingy taitra ilay rangahy  dia niantso vonjy ka vaky nandositra ireo jiolahy. Ny zoma alina anefa, niverina indray ireo olon-dratsy  nandroba sy namono nahafaty azy. Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny entana very, ny hany fantatra dia valizy iray misy ny entany vao tonga no efa niparitaka tao an-tranony. Raha ny fanazavana voaray, dia nisy solosaina fentin-tanana tao amin’io valizy io. Tsy manana fianakaviana eto an-toerana ity teratany vahiny ity, namany, mipara-monina aminy eo amin’ny manodidina no manampy azy amin’ny fikarakarana ny tranony sy ny sakafony. Ireto farany no nahita ny razana voalohany raha tonga tao hamangy azy, nampandrenesina ny fokontany ary tonga teny an-toerana ny BMH sy ny polisy nanao ny fizahana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici