- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : 4X4 tsy nisy tompony nipetra-potsiny amoron-dàlana

Andoharanofotsy : 4X4 tsy nisy tompony nipetra-potsiny amoron-dàlana

Voatery nalain’ny zandary ary napetraka teo an-tokotanin’ny borigady eny an-toerana. Fiara tsy mataho-dàlana mitondra ny laharana 36XX TBB ary mitondra ny marika KIA. Nisokatra fotsiny ary tsy nisy taratasy raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Nisy nahatsikaritra nijanona ela teo ilay fiara kanefa tsy nisy olona nikitika mihitsy. Ireo no nampandre ny zandary izay nanao ny asa fanamarinana. Tsy nisy na inona na inona mety hahafantarana ny tompon’ny fiara, indrindra koa tsy nisy taratasy famantarana tao. Vokatr’izany dia nanokafana fanadihadiana mba hahitàna izay mety ho tompony. Mahatalanjona ihany ilay tranga satria raha fiara lafo vidy toy ny fiara tsy mataho-dàlana toa itony dia tsy havelavelan’ny tompony eny rehetra eny mihitsy. Isan’ny alehan’ny sain’ny zandary, na tiana na tsy tiana, ny hoe sao dia nisy tantarany ilay fiara, sao sanatria nanatontosana asaratsy. Indrindra koa nirongatra ny fisian’ny fakàna an-keriny tato ho ato ary isan’ny fitaovana fampiasan’ireny ny moto sy ny fiara. Matetika dia avelan’izy ireo eny fotsiny ny fitaovana nampiasainy mba tsy hanodinana ny sain’ny mpanao fanadihadiana na koa entina hanamelohana olona hafa eo amin’ny toeran’izy ireo. Izay no tena ilàna ny fanaovana taratasy ara-dalàna rehefa misy ny fifampivarotana fiara. Betsaka izay olona nahazo fahasahiranana ara-pitsaràna sy nidoboka am-ponja izay rehefa nivarotra fiara ka tsy vita tarataasy fifamindràna, kanefa ilay fiara avy eo nampiasain’ny mpividy nanaovana asaratsy, toy ny kidnapping. Asa raha toa izany ny tantaran’ity fiara nipetra-potsiny teo amoron-dàlana ity. Ny fanadihadian’ny zandary izay efa nosokafana no hany hamaritra izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici