Saika isan’andro tato ho ato dia tsy maintsy nahenoana fanafihan-dahalo sy asa ratsy mitranga foana any amin’ny Distrikan’ Ambatofinadrahana, faritra Amoron’i Mania, indrindra ny ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Bemaha Soavina. Noho ny firongatry ny halatra omby, dia tsy ataon’ny mponina ao am-bala intsony ireo omby, fa ampidirina an-trano, nefa mbola robain’ireo malaso mitam-piadina hatrany. Tsy mionona fotsiny amin’ny fandrobana ny omby ireo malaso mpanani-bohitra, fa mamaky trano ihany koa ary mandoro tanàna. Ny faran’ny herinandro teo, may kila forehitra nodoran’ny dahalo ny fiangonana FLM ao Soanierana, fitandremana Ambohibary, Fileovana Soavina, ka tsy nisy azo noraisina fa hotohoton’ny afo avokoa ny entana rehetra tao amin’ity fiangonana ity, ary tampoka tamin’ny olona ny zava-nitranga, hoy ny tati-baovao voaray.
Eric Manitrisa