Na dia eo aza ny Dinabe, izay dina nankatoavin’ny fitsarana ifampifehezan’ny mponina mba hiadiana amin’ny halatra omby sy vono olona ary asa ratsy sy fahalovana isan-karazany, dia mbola mirongatra hatrany hatramin’izao ny lafiny tsy fandriampahalemana any amin’ny Distrikan’i Morombe, Faritra Atsimo Andrefana. Omaly naraina, tany Antanimeva, dia tovolahy iray no hita faty nihosin-drà teny amoron-dalana, izay maty nofirain’olon-tsy fantatra tamin’ ny famaky teo amin’ny hatony. Olona sendra nandalo no nahita ny razana, ka io indray avy eo no nanaitra sy nampandre ny mpiray tanàna. Raha ny tati-baovao voaray, dia tsy fantatra hatreto ny antony namonoana tamin’ny fomba feno habibiana an’ity tovolahy ity, na noho ny ady sy resaka fialonana na asan-dahalo tsotra izao. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana mahakasika ity vono olona ity.
Eric Manitrisa