Isan’ny vokatra misy vidiny eo amin’ny tsena ny vokatra lavanilina izao ka betsaka ireo olona no mangalatra izany am-potony, na manafika tokantrano mihintsy tahaka ny nitranga tao Anjahana Maroantsetra ny herinandro nivalona iny izay nisiana fitsaram-bahoaka ka nahafaty olona 06 sy jiolahy nitolo-batana 03 ary ny iray mbola karohina. Raha ity tranga niseho tao Tsirarafana Sonierana Ivongo ity kosa dia ilay halatra lavanilina ifotony no olana, izay efa niahiahian’ireto mponina tovolahy iray fa mpanao izany ka narahan’izy ireo maso akaiky; vokany ny herinandro lasa iny dia tazan’ireto fokonolona nanao ity mahazatra amin’ny halatra lavanilina ifotony ity tovolahy ity ka nifanenjehan’ny fokonolona saingy tafaporitsaka. Omaly alatsinainy 22 janoary anefa dia nahare ny mponina tao Tsirarafana fa nitolo-bata teo anivon’ny mpitandro ny filaminana tao Soanierana Ivongo tampon-tanana ity tovolahy ity, koa vao nahare izany ireto fokonolona izay niisa teo amin’ny 400 teo dia nirohotra nanomjy ny biraon’ny distrika tao Soanierana Ivongo, nefa 15km miala ny tampon-tanana no misy ity Tanana Tsirarafana ity. Vao nahare ity fokonolona nirohotra hiakatra ao Soanierana Ivongo ity anefa ny zandary dia nametraka barazy teo akaiky ny fiangonana katolika lalana miditra ny tampon-tanana amin’ny lalam-pirenena faha-05. Teo amin’ity barazy ity anefa no nihaonan’ny lehiben’ny distrika sy ny lehiben’ny zandary ao Soanierana Ivongo niresaka tamin’ireto andiana fokonolona marobe ireto, izay nilaza fa efa tsy ao Soanierana Ivongo intsony ity tovolahy voalaza ity fa efa nafindran’ny zandary eo am-pelan-tanan’ny zandary namany ao Fenerivo atsinanana ny fanaovana ny fanadiadiana rehetra. Tsy resy lahatra tamin’izany anefa ireto andiana fokonolona ireto ka nanohy mbola nitokona teo anoloan’ny biraon’ny distrika ihany. Voatery nanafatra zandary ao ao Fenerivo atsinanana ny lehiben’ny distrika sy ny lehiben’ny zandary tao Sonierana Ivongo mba anao ny fiarovana ny biraom-panjakana sy ny tobin’ny zandary; saingy nilamina ireto vahoaka avy ao Tsirarafana ireto ka niravana ny fitokonana ny tolakandron’ny omaly ihany.
Malala Didier