Nisehoana fanolanana hafahafa tao amin’ny Distrikan’i Maroantsetra, ny talata maraina teo. Ramatoabe efa 70 taona irery tao an-trano noho izy efa mananontena no sahin’ity tovolahy vao 25 taona nidirana tao an-tranony ary naolany tsy nanany hantra. Nanao izay nataony teo ihany ity tovolahy ity, izay mbola nandrahona an’ity ramatoabe ity, saingy niezaka ny niaro tena na efa antitra aza izy ka vao nahita hirika niantsoana vonjy dia nataony mafy izany, izay nanaitra ny mpiara-monina taminy. Mponina ao amin’ny fokontany nitrangan’ity fanolanana ramatoabe ity ihany ilay tovolahy ka tsy sarotra tamin’ireo mpiara-monina ny nisambotra azy sy nitondra azy teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Niaiky ny heloka vitany ity tovolahy ity, saingy nilaza fa nentin’ny filany izy ka nanaonao foana izao. Ankoatra izay, tao Maroantsetra ihany, saingy mikasika ilay raharaha vono olona tao Anjahana izay nisiana fanafihan-jiolahy ka nahafaty ity lahy antitra iray sy naharatrana mafy ny vadiny izay mpisehatra amin’ny lavanila sy jirofo any an-toerana. Nitombo valo ny isan’ny matin’ny fitsaram-bahoaka izao, satria nahatratra jiolahy iray tany anaty ala manodidina an’ Anjahana indray ireto fokonolona manao ny fikarohana azy ireo ny alatsinainy teo, ka nentin’izy ireo namonjy Tanana nefa tsy tonga tany fa teo amin’ny sampanan-dàlana mihazo ny kaominina Anjahana, dia novonoin’ireto fokonolona ity jiolahy ity raha avy notarihina toy ny omby. Ao anatin’ity raharaha ity izany, dia 8 ireo matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’ireo andian-jiolahy, nisy 3 kosa nitolo-batana teny amin’ny mpitandro ny filaminana, na izany mbola mitohy ny fikarohana ireo heverin’ny mponina ho andian-jiolahy sy ireo mpiray tendro tamin’izy ireo.
Malala Didier



