Mifamahofaho be ny resaka ao an-tampon-tanànan’i Morondava ary tsy misy afa-tsy ny fisamborana an’i Kassanaly Dinech no teny am-bavan’ny olona omaly. Io farany, raha tsiahivina kely, dia lefitry ny ben’ny tanànan’i Malaimbandy. Vetivety koa dia nandroso ny fanadihadian’ny zandary nanao fisamborana olona telo hafa omaly. Andrasana avy hatrany ny valin’ny fanadihadiana ireo olona ireo ary indrindra ny amin’ny famaliana ny fanontaniana raha misy ifandraisany tokoa amin’io raharaha fakàna an-keriny tao Morondava io ny olona voalaza etsy ambony na tsia. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny olona any an-toerana mantsy dia misy adilahy pôlitika avolenta any amin’iny faritra iny ankehitriny, ary tonga hatramin’ny fifampihantsiana mihitsy. Dia mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe tena sahy nanao fakàna an-keriny tokoa ve ny lefitry ny ben’ny tanànan’i Malaimbandy, kanefa izy dia olona miara-miasa akaiky amin’ny ben’ny tanàna. Ny ben’ny tanàna izay nanao izay ho afany tamin’ny famerenana ny filaminana tao amin’ny kaominina naha-voafidy azy, izay toerana nanjakan’ny mpaka an-keriny hatramin’ny volana novambra lasa teo. Izy no niantoka am-paosy ny fidinan’ny zandary efapolo lahy tany Malaimbandy nanao fampandriana fahalemana. Mpaka an-keriny miisa enina no lavo vokatr’izany ary nisy enina hafa nidoboka am-ponja raha nahazo fahafahana vonjimaika ny roa izay nahiana ho tena tompon’antoka. Eo indrindra no mipetraka ny fanontaniana hoe sao dia natahorana hamoaka ny anaran’ny mpaniraka azy dia natao izay rehetra tsy nidobohany am-ponja? Anio dia hisy zandary folo indray hidina any an-toerana hanamafy ny fandriam-pahalemana, sy hisambotra ireo mpanao fakàna an-keriny, ary mbola avy amin’ilay olom-boafidy hatrany no nahazoana izany fiaraha-miasa izany. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha.
D.R