Lohan’omby iray niampy ilan-tratrany sy tapaky ny feny no nisy nahita tao amina tanimboly iray tao amin’ny fokontany Ampatana, omaly maraina. Tao akaikin’ny fasam-bahiny no nahitana ireo sisan’omby novonoina ireo. Olona nandalo no nahatsikaritra azy ity ka nampandre ny manodidina sy ny sefo fokontany avy hatrany. Niparitaka teo an-tanimboly ireo hena ireo fa tsy niangona tamina toerana iray akory. Heverin’ny manodidina teny an-toerana, fa nafenina tao anaty gony ireo hena ireo fa nailiky ny alika ka io niparitaka io. Tsikaritra mbola teo mantsy ilay gony feno rà tamin’ny fandalovana teny an-toerana. Tsy nisy very omby anefa teo amin’ny manodidina ny fokontany Ampatana ny alin’io. Ny hariva vao fantatra fa tao Verezambola no nisy halatr’omby ny alin’ny Alarobia hifoha alakamisy. Tsy lavitra ilay tanimboly no namonoan’ireo jiolahy ity omby ity satria mbola tavela teo ny taim-boraka sy rà. Taorian’ny fampandrenesana, nanao ny fizahana teny an-toerana ny mpitandro filaminana, ary nalefa eny amin’ny abatoara ireo hena sisa tavela hozahana
Andry N.