- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntalaha : Mpandraharaha lavanila nahatratrarana lavanila manta 250 kg, nadoboka am-ponja

Antalaha : Mpandraharaha lavanila nahatratrarana lavanila manta 250 kg, nadoboka am-ponja

Rehefa natolotra ny Fitsarana tao Antalaha afak’omaly ilay lehilahy voalaza fa mpandraharaha lavanila ao Sambava, voatondro ho nividy lavanila mialoha ny fotoana fisokafan’ny tsena, ary mbola nahatratrarana lavanila manta tsy matoy milanja eo amin’ny 250kg, dia nadoboka am-ponja vonjimaika. Noho ny fanomezam-baovao mari-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo, dia ny zoma 19 janoary lasa teo, raha tsiahivina, no voasambotry ny Zandary mpikaroka fandikan-dalàna tao amin’ny trano fonenany ao Antanifotsy II Sambava ity patiraon-davanila tanora ity, ary nopotehina sy nalevina kosa ireo lavanila tratra tao aminy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici