Nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny fitsarana teto Toamasina taorian’ny rivo-doza nijereny ireo fahasimbana teo anivon’ny fonjan’Ambalatavoahangy, ny sampam-pitsarana efatra misy eto Toamasina, ary ny sekoly ambony mpanofana mpandraharaha ny fonja tany Vohibedrana Antetezambaro; dia nandeha ny resaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra fa hisy ny famindrana ny ampahan’ireo voafonja ao Ambalatavoahangy ho any Moramanga noho ny fanamboarana hataon’ny minisitera. Raha nanontaniana izany anefa ireo mpandraharaha ny fonja eto Toamasina dia nilaza fa “tsy hisy izany famindrana voafonja izany ato, noho ny fanajana ny zon’olombelona sy ny zon’ireo fianakaviana manana voafonja eto aminay”. Nomarihan’izy ireo fa “iza no hiantoka ireo fianakavian’ny voanfonja amin’ny fanaterana sakafo sy amin’ny famangiana, izay zon’ireo voafonja ”; izay no nahatonga ireo mpandraharaha ny fonja eto Toamasina niara-niasa tamin’ireo mpiara-miombona sy ireo mpiara-miasa aminy nitady vahaolana hafa, ka misy izao ny fahazoan’izy ireo fanitso sy ireo kojakoja mifanaraka amin’izay ka nahavita ny efitra mahazaka voafonja an-jatony iray tamin’ity herinandro ity. Efa vonona ihany koa ny fanitso sy fitaovana hafa avy amin’ireo mpiara-miombona antoka sy ireo mpiara-miasa amin’ireo fandraharahana ny fonja Toamasina hanarenana ireo efitry ny voafonja roa hafa, izay hamaha ny olana navelan’ny rivo-doza “AVA” farany teo. Ny fanenan-tsazy nataon’ny filoham-pirenena farany teo koa nampihena ny isan’ireo voafonja hazonina ao Ambalatavoahangy, izay efa nihoatra ny arivo ny taona lasa, ary efa latsaky ny 900 izy ankehitriny nefa 350 no tena zakan’ny fonja.
Malala Didier