Tovolahy iray sahabo 25 taona eo no tra-tehaka nangalatra moto, omaly tany Toliara, ka saika nodoran’ny olona velona. Niantsena tao Sanfily ny tompon’ilay moto ka napetrany teo amoron-dalana ny kodiaran-droany. Fotoana fohy taorian’izay anefa dia nisy tovolahy iray nanatona ilay moto ary namoaka fanalahidy maro avy any am-paosiny. Teo am-pamelomana ilay moto ity mpangalatra no naneno mafy tsy nety nijanona ny “alarme anti-vol”-n’ity soavalivy, ka io nanaitra ireo teo amin’ny manodidina izay nanatona, ary nampikoropaka ny tompon’ny moto. Nifanenjehana ilay mpangalatra ka tratra ary niharan’ny hatezeram-bahoaka. Raha ny fanazavana azo dia efa matetika voasaringotra amin’ny asa ratsy ity tovolahy ity, ary efa nigadra noho ny resaka halatra moto sy bisikileta, kanefa tsy mety fay fa mbola mamerin-keloka foana. Ela nanaovan-dratsy ity mpangalatra, ka sendra ny nahay azy, ary saika matin’ny fitsaram-bahoaka, hoy ireo nanatri-maso.
Eric Manitrisa