- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTany Gasy : Namoahan’ny Bianco filazàna fikarohana ny tompony

Tany Gasy : Namoahan’ny Bianco filazàna fikarohana ny tompony

Ilay « avis de recherche » navoakan’ny Bianco

« Araka ny lalàna 2016-020 izay misahana ny ady amin’ny kolikoly dia mangataka ny fanomezan-tànan’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fikarohana sy fisamborana avy hatrany an-dRamangasoavina Herilanja Gerald », raha adika tsotsotra amin’ny teny malagasy ny filazàna fikarohana izay nosoniavin’ny tale jeneralin’ny birao mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly, Andriamifidy Jean Louis. Ny alakamisy lasa teo (25 janoary 2018) no nivoaka izany ary naparitaka avy hatrany teny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana. Ny olona karohina, fantatra amin’ny fanampin’anarana hoe Gerald dia notorian’ny olona efa ho telonjato mahery noho ny fisolokiana momba ny fivarotana tany. Izany dia avy amin’ny alàlan’ny orinasany antsoina hoe « Tany Gasy ». Efa nandeha teny amin’ny pôlisy ny raharaha tamin’ny taon-dasa ary nirohotra mihitsy ny olona voafitaka nametraka fitoriana. Nisy namono afo indray anefa taty aoriana ary nanakorontana ny tolon’ireo olona izay nitaky ny zony, dia ny hahazoany ny tany novidiana. Niakatra hatrany ny lentan’ny raharaha ary taorian’ny fitoriana dia olona izay mpiara-miasa akaiky (mpiasany aza) amin’i Gerald no nosamborina ka nidoboka am-ponja vonjimaika. Ny voalaza anarana kosa dia tsy hita izay nisy azy ary toa tsy voatonona anarana firy aza tao anatin’ny savorovoro. Efa hatramin’ny taona 2014 no nisian’ny varotra tany ary raha kely indrindra dia vola mitentina 6 tapitrisa ariary no azony tamin’ny olona iray nikasa hividy tany. Tombanana ho 3.600 anefa no efa nividy taminy hatramin’izay ka tao anatin’izany dia nilaza ireo olona fa tsy nisy nahazo izay tany novidiany mihitsy. Niotrika teo foana ny afo mandra-pahatongan’ny 2017, taona izay nahasahian’ny sasantsasany nivoaka tamin’ny fahanginany amin’izay. Niakatra lenta ny raharaha noho ny tsy mety nahatratràrana an’i Gerald mihitsy. Mazava ankehitriny, avy amin’ity fidirana an-tsehatry ny Bianco ity, fa misy kolikoly avo lenta aoriany.  Misy ny milaza fa mahita an’ity lehilahy ity miriaria eto an-drenivohitra, toa ny tsy manana olana eny amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsaràna mihitsy. Ny alahady teo izy dia mbola nisy nilaza nanatrika lanonana iray teto an-drenivohitra. Dia ahoana izany ireo olona 3.600 voasolokiny ? Raha tsiahivina kely dia mbola isan’ny voatonona koa ny orinasany tamin’ny raharaha Villa Elisabeth.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici