Tao anatin’ny roa volana, nanomboka ny volana desambra 2017 no mankaty, nirongatra ny fiparitahan’ ny ambalavelona tany amin’ny Distrikan’i Belo Tsiribihina, ka malaina mandefa ny zanany vavy an-tsekoly avokoa ny ankamaroan’ny ray aman-dreny kivy, satria misy amin’ireo efa voa mbola nidiran’ ity aretin’ny asan’ny maizina ity indray, ka mpianatra folo no tratra.Mpianatra tamin’ny kilasy faharoa (seconde) no nidiran’ny aretina tany am-boalohany, avy eo niparitaka tamin’ ireo ankizivavy kilasy “première” izany. Manoloana ny firongatry ny ambalavelona, dia nangataka tamin’ny tompon’andraikitry ny sekoly ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny Ffkm miaraka amin’ireo mpiandry any an-toerana, amin’ny fanamasinana/fanadiovana ny sekoly anjakan’ity aretin-dratsy ity.
Eric Manitrisa