Tovolahy iray manodidina ny 24 taona eo no matin’ny fitsaram-bahoaka, ary no tetitetehana tamin’ny antsibe ny fatiny, afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny dimy ora, tany Havohitrandriana Kaominina ambanivohitry Ambodilafa, Distrikan’i Nosy Varika. araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, telolahy nitam-piadiana tsy nisaron-tava no nanafika mpivaratr’omby iray, tao an-tanànan’ Ambalahasina Kaominina ambanivohitry Ambodilafa, ny talata teo, ka lasan’ny dahalo tamin’izany ny lelavola 4 tapitrisa Ariary, ary maty tsy tra-drano namoy ny ainy notetehin’ireo malaso tamin’ny famaky sy antsy lava lela ity patiraon’omby voatafika. Taorian’ity vono olona nahatsiravina ity, dia raikitra avy hatrany ny fikarohana nataon’ny Fokonolona an’ireo olon-dratsy, satria nisy nahafantatra ny endriky ny iray tamin’ireo jiolahy, izay tra-tehaka ny ampitsomarainan’io, tamin’ny dimy ora, tao Havohitrandriana. Rehefa nofotorana lalina ity dahalo voasambotra voafatotra, dia tsy nety nanoro na nanambara mihitsy ny toerana misy ireo namany. Romotry ny hatezerana ny olona sy ny fianakavian’ny maty, satria voalaza fa voasaringotra matetika amin’ny asa ratsy (vonoolona sy halatra) ity jiolahy tsy mety fay, ka notapahin’ny Fokonolona ny lohany, ka maty teo no eo ity malaso, ary avy eo mbola no tetitetehana tamin’ny « antsy goro » ny vantany iray manontolo. Noho ny henatra sy ny tahotra, tsy nalain’ny havany ny fatin’ity jiolahy matin’ny hatezeram-bahoaka ity, ka navelin’ny Fokonolona omaly ny razana. Mbola karohina fatratra kosa amin’izao ny roalahy naman’ity dahalo maty tafaporitsaka.
Eric Manitrisa