Teo am-panombohana mahandro ireo lavanilina manta 263 kilao, tao aminy, tamin’ny tapatapaky ny volana janoary lasa teo, ity lehilahy iray avy ao Antanifotsy, Sambava ity, no tratran’ireo zandary avy amin’ny Groupe d’Appui de la Police Judiciaire aty Sava. Rahefa nosamborin’izy ireo izy ka nanomboka ny famotorana azy dia nambaran’ity lehilahy ity tamin’ny zandary mpanao famotorana fa « Olona ananako vola 8.000.000Ar, hoy iry mpahandro sy mpividy lavanilina manta iry, no nanatitra tamiko, tian-kano tsy tian-kano, ireo lavanilina ireo ». Kanefa, raha nojonoin’ireo zandary tany an-tranony tany io olona nolazainy io dia efa tsy tratra tao an-tranony. Mandraka izao. Raha natolotry ny zandary teny am-pelatanan’ny Fitsarana ity mpividy sy mpahandro lavanilina ity dia nadobony avy hatrany tany am-ponja izy. “ Mbola tsy latsa-poitra avokoa ny an-kamaroan’ny voan-davanilina manta amin’izao volana janoary izao”, hoy ny nomarihin’ny mpamboly sy mpamokatra lavanilina vitsivitsy nohatoninay izay efa niharan’ny halatra lavanilina manta teny am-potorana tamin’ity taom-pâmokarana ity. Mbola mitohy hatrany ny fikarohana ilay mpivarotra lavanilina, hoy ny Lieta, Komandin’ny GAPJ SAVA.
REMI, Rakotonirina