Tranga nampivarahontsana ny mpiara-monina no hita tao amin’ny tanànan’i Marobiby, ao amin’ny kaominina Fiombonana, distrik’Antananarivo Avaradrano, ny zoma 2 janoary teo. Miaramila mitondra ny girady kilasy faharoa antsoina hoe Raminoson Mamitiana Alain Michel, no maty tsy tra-drano rehefa nitifi- tena tamin’ny basiny, tao an-tranon’ny anabaviny, ny tolakandron’io zoma io. Ny vaovao avy amin’ny zandary izay niandraikitra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity dia milaza fa miaramila avy ao amin’ny RTS eny Fiadanana ity namoy ny ainy ity. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny anabaviny sy ny vadiny, dia ny tsy fankasitrahan’ny lehibeny ny zavatra nataon’ity miaramila ity sy ny namany mpiara-miasa aminy nandritra ny iraka nataony tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe ny volana janoary teo , no antony nampamoy fo azy toy izao. Ny 30 janoary, dia tonga tao amin’ity anabaviny ity ilay miaramila ka nilaza fa nidaroka olona mamo lava tany Fenoarivobe tany.Nilaza anefa izy, fa efa nanaovany tatitra tamin’ny lehibeny izany nefa tsy nanome rariny azy ity farany, fa nandiso azy tanteraka. Noho izay antony izay, dia nilaza tamin’ny vadiny sy ny anabaviny izy fa tsy maintsy hamonotena hono. Notanterahiny tokoa izany io zoma io. Ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahalalana, fa basykalaky no nitifirany ny tenany teo amin’ny handriny ; izay gorobaka tanteraka. Rehefa nozahana ny tranom-bala niaraka tamin’ilay basy, dia hita fa bala telo no niala tao.
T.M.