- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRanohira : Nafenina iray volana izay vao hita ny faty

Ranohira : Nafenina iray volana izay vao hita ny faty

Iray volana taorian’ny namono azy no hita ny fatin’i Léon Arimanana, fantatry ny maro amin’ny hoe Rabesoavaly. Manana toeram-piompiana lehibe an’io karazam-biby io izy ao Ranohira ka nahatonga ny olona niantso azy hoe Rabesoavaly. Tsy nahenoam-peo izy hatramin’ny 30 desambra no mankaty. Manana mpanampy izy ary rehefa anontaniana ireo dia miombom-peo milaza fa lasa any ivelany ny mpampiasa azy ireo. Nampiahiahy ny fianakaviany izany, satria na izy ireo aza dia tsy nisy noresahiny izany ho any an-dafy izany. Iray volana taty aoriana, rehefa mbola nitohy ihany ny tsy fahazoam-baovao momba an’i Léon Arimanana dia tapa-kevitra ny nampandre ny zandary  ny olona akaiky azy. Nisokatra araka izany ny fanadihadiana izay niafara tamin’ny fisamborana ny iray tamin’ireo mpanampy. Nohazavain’io farany tamin’ny antsipiriany ny nataon’izy ireo. Natorony hatramin’ny

toerana nandevenana ny razana. Teo amoron-drano,  eo amin’ny manodidina ilay misy toeram-piompiana ihany no nalevin’ireo i Léon Arimanana. Noloarana tao ny vatany izay efa simba ary notsirihana. Teo ary no nahafantarana fa nokapaina famaky izy, teo amin’ny hatony sy ny lamosiny. Nitarika ny fahafatesany izany. Hatreto dia mbola notanan’ny mpanao fanadihadiana ho tsiambaratelo ny antony namonoana azy. Mbola misy karohina rahateo ny mpiray tsikombakomba tamin’ilay mpanampy izay nahavanon-doza. Isan’ny nandray anjara tamin’ny fifidianana ho ben’ny tanàna farany teo i Léon Arimanana alias Rabesoavaly, tamin’ny anaran’ny antoko TIM. Raha araka ny fantatra, avy amin’ny fianakaviany, dia hampakarina anio aty an-drenivohitra ny razana. Aorian’ny fikarakarana azy sy ny fandevenana izany dia hijery akaiky ny fivoaran’ny raharaha izy ireo ary hamantatra ny antony rehetra ary koa ny fanampiana amin’ny fikarohana ireo olon-kafa nanatontosa ny heloka bevava.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici