Dimy andro androany no nakan’olona dimy nirongo basy mahery vaika an’ity tera-tany Indiana Bohra manana ny zom-pirenena frantsay ity, teo Salazamay Toamasina. Hatreto aloha raha ny angom-baovao marim-pototra voaray avy amin’ireo tera-tany Bohra, dia tsy mbola misy ny fitakiana vola nataon’ireo mpaka an-keriny azy tamin’ny fianakaviany. Ho an’ny mpitandro ny filaminana ahitana ny USI sy ny polisy eto Toamasina ary ny Zandary izay miara-mihetsika manao ny fikarohana sy ny fanadihadiana ny raharaha, dia fomba fiadin’ireo mpaka an-keriny ny fihazonana ireo olona alainy elaela vao mitaky vola izy, mba hampitombo ny vola takian’izy ireo, izany no mahatonga ny fomba fahazoana azy amin’ny fianakavian’ireo tratrany mandoa faran’izay haingana ny fitakian’izy ireo noho ny ahiahy ny ain’ny havany. Tahaka ny nitranga momba ny raharaha “Kalidas” tao Antananarivo : izay 16 andro aty aoriana vao nisy ny fitakiana vola ka taorian’izay dia navotsotr’ireo mpaka azy an-keriny ity tera-tany karana manana zom-pirenena frantsay ity; nefa ny raharaha Akil Cassam Chenai dia iray andro monja taorian’ny famotsorana an’i “Kalidas”. Raha mikasika ireo olona valo nosamborina ny alahady teo kosa, dia efa saika navotsotra avokoa izy ireo taorian’ny fihainoana azy ireo teo anivon’ny sampan’ny zandary misahana ny heloka be vava izay ivon-toerana misahana ity raharaha fakana an-keriny ity, saingy iarahan’ny polisy sy ny zandary manao ny fanadihadiana rehetra mandritra izany. Ireo andiana “saka mainty” sy ireo polisy mpanao ‘intervention” eto Toamasina ary ireo ekipan’ny zandary, dia mameno ny ao Andranomadio sy Mangarano II ary Ambalamanasy amin’ny fikarohana an’i Akil Cassam Chenai, noho ilay fiara nitondrana azy tao Andranomadio no hita. Mitaraina noho ny antsonjay mahazo azy ireo vokatr’ izao zava-misy any amin’ny fokontan’izy ireo izao, ireo filoham-pokontany misahana ireo fokontany feno mpitandro ny filaminana ireo, ary isany efa nohenoina mikasika ity raharaha ity koa.
Malala Didier