Nanomboka ny fiandohan’ity taona ity, nisesisesy ny trangan’ambavelona hita sy niseho tamina faritra maro teto amintsika, ary mitovy avokoa ny fisehon’ny soritr’aretina : mitsinjatsinjaka sy mihinjitrinjitra ary mitomany ireo tratrany. Ny alatsinainy teo, tovovavy mpianatry ny CEG any amin’iny faritra iny, miisa folo, sy mpianatry ny lisea iray, samy ao anatin’ny Cisco Iakora, no indray niara-nihetsika ambalavelona. Nanoloana an’ity tranga ity, araka ny tati-baovao voaray, dia namory ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny tompon’andraikitra, ka isan’ny vahaolana naroso tamin’izany ny fanafarana fanafody avy amin’ny mpitsabo manokana matihanina amin’ny fitsaboana ity aretina ity avy ao Fianarantsoa.
EricManitrisa