- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Roalahy nanafika mpandraharaha, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Sambava : Roalahy nanafika mpandraharaha, saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Roalahy mitam-piadiana nandroba lelavola 39,2 tapitrisa Ariary no voasambotra, afak’omaly hariva tokony ho tamin’ny enina ora, tao Sambava. Saika matin’ny fokonolona ireo jiolahy tra-tehaka raha tsy nalaky tonga ny mpitandro filaminanana navotra ny ain’izy ireo sady nitondra an’ireto olon-dratsy tany amin’ny birao natao famotorana. Raha ny fanazavana azo, araka ny tati-baobao voaray, dia vehivavy mpandraharaha roa samihafa no norobain’ireto roalahy. Ramatoa iray mpivarotra voaroba vola 9,2 tapitrisa Ariary nandritra ny alim-pandihizana nohafanaina mpanakanto malaza, tao amin’ny “Cercle Chinois” Sambava-Centre, ny alin’ny asabotsy teo. Afak’omaly, tokony ho tamin’ny 5 orasy sasany, ramatoa iray vadina mpandraharaha matanjaka ao Sambava, avy naka vola 30 tapitrisa Ariary mahery tamina banky lehibe iray tao Sambava-Centre no notafihan’ ireto roalahy nanao taingin-droa tamin’ny “moto cross” miloko mainty, tao Antaimby, rehefa narahin’ireo olon-dratsy avy tao afara ny fiara nitondra an’ity renim-pianakaviana hamonjy fodiana ity. Tao anaty fitohanana, tsy afaka nihetsika intsony ny fiara, ka nitsambikina avy eny ambony moto ny jiolahy iray, ary niditra an-keriny tao anatin’ilay fiara sady nisitona ny poketra lehibe misy ireo volabe. Niantso vonjy ny niharam-boina ka nifanenjehan’ny olona eraky ny arabe ity jiolahy tsy nisaron-tava, ary tratra. Niharan’ny hatezeram-bahoaka avy hatrany ity farany, ka naratra mafy ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibe raha tsy nalaky tonga ny Zandary. 30 minitra taorian’izay dia tra-tehaka tao amin’ny Fokontany Sambava-Centre ihany koa ny jiolahy faharoa, raha saika handositra tamin’ny bajaj.

EricManitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici