- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta : Vehivavy roa voasambotra, tratra nangalatra fiara

Fisolokiana avo lenta : Vehivavy roa voasambotra, tratra nangalatra fiara

Tsy mifidy tarehy marina ny mpanao ratsy. Tovovavy roa, izay mbola azo lazaina fa ao anatin’ny fahatanorana tanteraka no voasmabotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava tetsy Anosy, noho ny resaka fisolokiana avo lenta. Fiara iray marika Audi Q5 no noezahin’izy ireo nalaina tam-pitaka tamin’ny tompony. Raha ny zava-nitranga dia nivarotra fiara mitondra io marika io ny lehilahy iray ary nalefa tamin’ny tambajotra sosialy. « Nahita izany ny tovovavy antsoina hoe F. 24 taona izay nilaza ho liana amin’ilay fiara ka niantso avy hatrany ilay tompon’ny fiara », hoy ny vaovao. Nifanome fotoana ny roa tonta, ireo tonga hividy, ilay tovovavy niaraka tamin’ny namany iray, sy ilay rangahy nivarotra. Raikitra teo ny ady varotra ary niafara tamin’ny vidiny 95 tapitrisa ariary ilay fiara tsara tarehy. Tonga tamin’ny fotoana handoavana ny vola dia voalaza fa « chèques » no hanaovana izany. Somary niahotra ihany anefa ilay tompon’ny fiara ary nanahy zavatra hafa. Nilaza anefa tetsy andanin’izay ilay tovovavy fa tsy misy atahorana io. Afaka miaraka mankany amin’ny banky mihitsy aza maka ilay vola. Saingy fotsiny hoe, ilay namany miandry ny fiara, miaraka amin’ny lakile sy ireo anton-taratasy rehetra, fa ilay tovovavy kosa miaraka amin’ilay lehilahy tompon’ny fiara. Ny zava-doza anefa, « lasa naka ilay vola tany amin’ny banky ary izy ireo ka rehefa tonga tao amin’ny banky teo Analakely dia tsy hita ny nalehan’ilay vehivavy. Niroso nankao amin’ny banky ihany anefa ilay lehilahy ka teo vao nilaza ny banky fa hosoka ity “cheque” ity », hoy ny vaovao. Nametraka fitoriana avy hatrany ilay ranamana, ary io tsy ela io dia voasambotra izy roa vavy. Tamin’ny fisavàna ny tranon’izy ireo no nahitàna ody gasy maromaro miaraka amin’ny taratasy hosoka isan-karazany, anisan’izany ireo taratasim-bola maromaro. Natolotra ny fampanoavana moa izy ireo ary nadoboka eny Antanimora avy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici