- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha Tany Gasy : Hirotsaka hiaro ireo voasoloky i Paolo Raholinarivo

Raharaha Tany Gasy : Hirotsaka hiaro ireo voasoloky i Paolo Raholinarivo

Manoloana ny fitarainan’ireo olona miisa 3600 voasoloky tamin’ilay resaka varotra tany tao anatin’ilay tetik’asa antsoina hoe « Tany Gasy » dia nanambara Andriamatoa Solonavalona Paolo Raholinarivo fa hirotsaka hampanjaka ny rariny ao anatin’ity raharaha ity. Nambaran’ity mpanolotsaina manokan’ny Praiminisitra Mahafaly Olivier ity  fa tsy rariny raha ny vahoaka madinika no hizaka ny hadalan’ireo tsy mpanara-dalàna, mpisoloky, mpanodokodina ny harem-pirenena, ary mpanao kely tsy mba mamindro toy izao mahazo ireto olona izao. Nomarihiny fa tsy misy resaka politika no nandraisany izao fanapaha-kevitra izao fa noho ny fahatsapany fa adidiny ny manao izany amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ka saro-piaro amin’ny hoavin’ny mpiray tanindrazana aminy. Nambarany fa tokony handray andraikitra izay rehetra milaza fa manam-pahefana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ka karamain’ireo mpandoha hetra mba hahafahana misambotra ilay mpandraharaha voalaza fa tompon’antoka tamin’izao raharaha izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici