- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMahitsy : Lehilahy mpanaparitaka vola sandoka, voasambotry ny zandary

Mahitsy : Lehilahy mpanaparitaka vola sandoka, voasambotry ny zandary

Rangahy iray, izay tratra nanaparitaka vola sandoka, teny amin’iny faritra Mahitsy iny no voasambotry ny zandary, ny voalohandohan’ny volana teo. Vola sandoka iray alina ariary maromaro no tra-tehaka tany aminy, raha ny fanazavana azo avy tamin’ny zandary. « Noho ny fikaroham-baovao nataon’ny zandary avy ao amin’ny brigady Mahitsy, dia nisy vola sandoka 10.000AR miisa efatra tratran’izy ireo teo amin’ny toerana filokàn’olona teo an-tsena ka io lehilahy io no notondroin’ny olona teo fa nametraka an’ireo teo. Avy hatrany dia nosamborina izy ka rehefa nosavaina teo no ho eo, dia mbola nahatrarana vola sandoka hafa miisa 5 tany am-paosiny »  hoy ny fampitam-baovao. « Malaza ho toerana fanapariahan’ny olona vola sandoka ny eny Mahitsy ka tsy mikely soroka ny zandarimariam-pirenena manao ny fikarohana ny mpanao ratsy izany, raha tsy hampatsiahy fotsiny ny olona 3 izay nosamboriny, tamin’ny faramparan’ny volana janoary teo iny ». Raha ity rangahy tratra ity moa, dia niaiky tanteraka ny asa ratsy nataony ranamana tamin’ny fanadihadiana azy. Nentina teny amin’ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja vonjimaika. Ny somary nahagaga anefa, araka ny fampitam-baovao hatrany, dia efatra andro monja taty aoriana dia nahazo fahafahana vonjimaika indray ranamana, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Marihana fa tamin’ny famotorana natao azy, araka ny fampitam-baovao hatrany dia  « tsy nety nanoro izay nanome azy ireo vola ireo sy izay niray tsikombakomba taminy rehetra » ity lehilahy ity. Na izany na tsy izany, dia « isaorana ireo rehetra manome tànana ny zandary amin’ny fikarohana ireo mpamotika ny firenena ireo ka manome vaovao tsy tapaka mba hisamborana azy ireo ka manantena ny fitohizan’izany fiaraha-miasa izany mandrakariva »  hoy hatrany ny fanazavàna.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici