Efa maro no efa tratra ary mbola maro no tafalatsaka ao anatin’ny haraton’ireo mpisoloky amin’ity resaka « mercure » ity, raha tsy misy ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana toy izao. Telolahy izay efa raindahiny tanteraka amin’ity resaka fisolokiana amina « mercure » ity no tra-tehaky ny zandarimariam-pireneana ny talata lasa teo. Efa volabe tsy toko tsy forohana tokoa no azon-dry zalahy ireto raha ny fanazavàna azo, saingy izao voasambotra izao ihany nony farany. Tsy vitan’izay moa fa mbola vitan-dry zalahy ireto ny manosoketa mpitandro filaminana, izay lazain’izy ireo mpiray tendro amin’izy ireo, manageja ny entany ary mitaky volabe mba hamotsorana izany. « Misy ihany koa anefa ireo milaza fa manana izany saingy voagejan’ny zandary na polisy ny “mercure” ka mitady volabe ireo mpitandro ny filaminana ireo mba hamerenana izany amin’izy ireo, ka noho izany dia mila fanampiana amin’olon-kafa ara-bola izy ireo mba hitsolorana ireo polisy na zandary ireo, ka rehefa votsotra ilay entana dia hozaraina amin’ity nanampy farany ity », hoy ny fampitam-baovao. « Natao izay hihaonana tamin’izy ireo. Nilaza izy ireo fa tazomin’ny zandary any amin’ny tany tsy fantatr’izy ireo ny namany iray atao hoe Alain, miaraka amin’ny “mercure” 2 litatra (…) vola 2.000.000Ar no takian’izy ireo mba hamotsorany an’i Alain sy ny entana fa raha tsy izany dia vonoin’ireo zandary ireo izy » hoy hatrany ity fampitam-baovao. Nanomboka teo ny vela-pandrika natao hanjonoana ireto mpisoloky ireto. Nilaza mantsy izy ireo fa hoe azo iadiana varotra ilay zandary mitazona ity namany ity ka vola 1.200.000 sisa takiany. « Efa nalaina sary avokoa anefa ireo vola ireo ary mody nomena azy ireo noho io fisolokiana ataony io. Vao nivoaka ny vavahady anefa izy ireo dia efa teo ireo zandary niandry fotsiny hisambotra sy nisava azy ireo ka notanana natao famotorana izy telolahy ireo noho ny fisolokiana». Niaiky ireto farany tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo fa tsy misy akory ireo namany voatazona sy izay zandary mitaky vola izany. Efa natolotra ny Fampanoavana moa ireto mpisoloky ireto, ary milaza ny hanaraka hatramin’ny farany ny raharaha ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay mahatsiaro ho voaloto tao anatin’izany.
m.L