- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimitsimbina : Nisy nandroba ny Radio Soa

Ambohimitsimbina : Nisy nandroba ny Radio Soa

Tsy nisy afa-tsy ny latabatra sy ny seza sisa no navelan’ireo olon-dratsy. Lasa avokoa ny fitaovana fampiasa amin’ny onjam-peo : ny « table de mixage », ny solosaina rehetra tao, ny fahitalavitra ary hatramin’ny « casque » aza. Nisy nandroba ny Radio Soa 96.8 FM, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompony dia fotoana fohy taorian’ny fandaharana politika antsoina hoe « Hiaka » no nisehoan’ny fandrobana. Nopoirina ny fanatsofohana fanalahidy dia novohaina ny varavarana ary nobataina izay zaka. Ny fandaharana Hiaka dia mahakasika ny fanadihadiana ny raharaha politika izay mahakasika ny fiainam-pirenena. Ny amin’ny mety ho fanahiana sao misy ifandraisany amin’io fandaharana izay matetika ny miteny mahitsy momba ny tsy mety ataon’ny fitondràna. Nilaza ny tompony fa ny fanadihadiana no hamaritra an’izay. « Aleo aloha handeha ny fanadihadiana izay efa ataon’ny pôlisy, avy eo mivoaka ho azy eo izay mety ho marina mahakasika izay fanahiana izay » raha araka ny fanazavany. Hatramin’ny omaly dia mbola tsy niverina ny onjam-peo ary nanaitra izay mpanaraka azy izany. Tamin’ny alàlan’ny tambajotra sosialy no nampandre ny tompon’andraikitra ary nitantara ny zava-misy. Omaly kosa anefa dia efa nanomboka nividy ny fitaovana ilaina io farany ary inoana fa tsy ho ela dia hiverina ny fandaharana rehetra. Ao anaty trano mihidy no misy ny « studio » ary misy olon-kafa mipetraka ao anatin’izany. Miompana amin’ny fomba nahavaky ny trano ny fanadihadian’ny polisy, alohan’ny hisamborana izay mety ho ahiahiana tamin’ny halatra. Na izany aza mbola endriky ny tsy fandriam-pahalemana ihany ny zava-nitranga. Ao anaty trano mihidy mbola misy mahavita miditra sy mibata izay nilainy : nanam-potoana izany ny jiolahy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici