- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : Raim-pianakaviana maty voatsindrona antsy teo amin’ny tendany

Antohomadinika : Raim-pianakaviana maty voatsindrona antsy teo amin’ny tendany

Fifaliana no nokatsahana nefa fahafatesana no hita. Raim-pianakaviana mbola tanora dia tanora tokoa no namoy ny ainy ny alin’ny alakamisy teo rehefa voatsindrona antsy teo amin’ny tendany. Nitranga ity loza ity rehefa tonga mba hifety ny tsingeritaona nahaterahany tao amina « Karaoke » iray teny an-toerana ralehilahy sy ny vadiny. Araka ny fanazavan’ireo havan’ny maty, feno 19 taona io alakamisyio ity farany. Tsy nifanalavitra tamin’io daty io ihany koa ny nahaterahan’ny vadiny, 6 Febroary.  Nanasa ireo havany, mpirahalahy aminy izy tamin’io fotoana io. Ireto farany izay nitondra ihany koa ireo namany avy ka dia nafana tokoa ny fiarahana tao amin’ilay «karaoké ». Tsy fantatra anefa izay nitranga fa nisy ny savorovoro teo amin’izy ireo. raikitra ny fifamaliana sy ny fikasiha-tanana. Nitohy tety ivelany izany avy eo raha ny fitantaran’ny dadatoan’ny maty. Niaraka hatrany izy mivady nandritra izany fotoana izany. « Nisolifatra tao anaty tatatra anefa ramatoa  ka tamin’izay no nisy nanindrona antsy tampoka  ilay raim-pianakavaina  ka voa teo amin’ny ankavanan’ny tendany  », hoy ihany ity dadatoa ity. Naratra mafy noho izany ity farany ka nentina avy hatrany teny amin’ny hôpitaly Ampefiloha. Indrisy anefa fa tsy tana intsony ny ainy. Teo ihany dia nampandrenesina ny polisy ka nidina teny an-toerana ka nisambotra avy hatrany ny noheverina ho nahavanon-doza  izay tsy iza fa toa hoe DJ ao amin’io toerana io ihany. Netina avy hatrany teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy ny lehilahy. Tafatsoaka kosa anefa ireo havana niara-nikorana tamin’ity raim-pianakaviana ity. Nefa raha araka ny filazan’ilay dadatoa dia ahiany fa nisy tamin’ireo no tena ho tompon’antoka tamin’izao fahafatesana izao.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici