Lehilahy iray no hita faty tao amin’ny reniranon’i Bestiboka, tao amin’ny fokontany Antanadava, Kaominina Ambalajia, disitrikan’i Maevatanàna, ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny 12 ora mitataovovonana. Lehilahy iray zarazara hoditra, sahabo eo amin’ny 32 taona eo ho eo, ary mirefy 1m60 ny halavany. Araka ny fanazavana voaray tamin’ny ben’ny tanànan’Ambalajia, mbola tsy fantatra ny tena antony nahafaty azy, na novonoina na lasan’ny rano. Voalaza ihany koa mantsy fa mpiasa volamena avy any Antsiafabositra hono io lehilahy io, araka ny vaovao nomen’ny ben’ny tanàna taminay hatrany. Raha ny fantatra, efa tsy hita nanomboka ny alatsinainy 05 febroary lasa teo, araka ny filazan’ny fianakaviany, io lehilahy io, ka nampandre ny Zandary malaky ny ben’ny tanàna any an-toerana raha vao nahita ilay vata-mangatsiaka hitan’ny mpanjono teo amoron-dranon’i Betsibokoa. Nidina tany an-toerana ny Zandary sy ny dokotera nanao ny fizahana. Taorian’ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra dia tonga naka ny razana ny fianakaviana avy ao Antsiafabositra. Ny Zandary avy ao Ambalajia no manao ny fanadihadiana.
Ratantely