Ny alin’ny asaboty hifoha alahady no nisy voafonja tafavoaka tao Antanimora. Gadra iray sy voafonja vonjimaika teo anivon’ny « secteur A1 » no tafatsoaka. Ireto avy ny anarany, araka ny fanamarinam-baovao natao : Rafalimanana Nirina Dominique, Rakoarisoa Henintsoa Raphalk ary Raharijaona Solofoniaina. Itsy voalohany dia voafonja vonjimaika nanomboka tamin’ny 11 septambra 2012 noho ny fanaovana vola sandoka. Rehefa vita ny fitsarana azy dia voaheloka higadra mandra-pahafaty. Ny faharoa kosa indary dia voaheloka higadra 25 taona an-tranomaizina, taorian’ny nitazonana am-ponja vonjimaika azy nanomboka ny 17 martsa 2009, ary izany dia noho ny famonoana olona. Ny fahatelo farany indray dia vao tamin’ity taona ity no nofonjaina vonjimaika ary mbola tsy voatsara. Ny 5 aprily 2004 izy no nanomboka notazonina tao amin’ny fonjan’Antanimora ; izay hiandrasany ny fotoam-pitsarana azy noho ny raharaha fanolanana. Tamin’ny misasakalin’ny asaboty teo, no nitranga ny fitsoahana. Hatreto, dia ny fianihana ny rindrina avo no nahatafavoahan’ireo gadra ny fonjan’Antanimora. Heverina ho ny lamba notafiana iny alina iny no natohitohy ka nahafahana nianika ny rindrina. Nefa kosa, sao dia sarimihetsika be loatra izany kisary izany ? Amin’ny toe-javatra toy izao dia tsy maintsy misy ny fanadihadiana izay sokafana amin’ny mpiandry ny fonja tamin’ny fotoana nisian’ny fitsoahana, ary izany dia mba hanamarinana sao nisy ny firaisana tsikombakomba tamin’ny fahavakisan’ny fonja. Ny any Tsiafahy aza dia nidoboka ao mihitsy ny mpiandry fonja nisahana ny fiambenana azy rehefa tafatsoaka i Arfa Houcine. Efa miparitaka ny « avis de recherche » momba ireo tafatsoaka.
D.R