Fiara tsy mataho-dalana iray no tra-tehaky ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany fahenina, etsy Ambohimanarina, nampiasa « cocarde » tsy ara-dalàna ny alatsinainy lasa teo. « Rehefa nozohina ny mombamomba ilay fiara rehetra, dia fantatra fa orinasa tsy miankina iray no tompon’ny fiara, izay marihina fa tsy manana alàlana velively hampiasa ireny famantarana manokana ireny, ary nisy avy hatrany ny fandraisana fepetra mahakasika ity fiara ity » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Tsapa tokoa tao ho ao izay, fa maro loatra ireo olona manararaotra ny fananana ireny fitaovana kely ireny, izay, araka ny lalàna, dia natokana ihany monja ho an’ireo manampahefana eto amin’ny tany sy ny firenena, ka manao izay danin’ny kibony eny amin’iny lalana rehetra eny. Tsy vitsy amin’ireo mpampiasa lalana araka izany no mitairana ny amin’ny ataon’izy ireo. « Efa nisy ny fampatsiahivana antsika olom-pirenena rehetra mahakasika ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny fampiasana ireny famantarana manokana izay ampiasaina amin’ireny fiarakodia ireny, toy ny « gyrophares », ny sainakely famantarana « cocardes », ary indrindra ny fitaratra mainty « vitres fumées ». Efa voafaritry ny lalàna ireo sokajin’olona manampahefana mahazo alàlana hampiasa izany. » hoy ny fampitam-baovao azo. Araka izany, ho hentitra indray ry zareo eo anivon’ny pôlisim-pirenena hanakana sy hisava izay fiara, mitondra « cocarde » na fitaratra « mainty », ary ho tonga hatrany amin’iny fanasaziana mihitsy izany, ho an’ireo fiarakodia « izay fantatra fa tsy ara-dalàna ny fampiasany ireny marika manokana ireny ». « Manentana hatrany izahay avy eto anivon’ny polisim-pirenena amin’ny fanarahana ny fitsipika sy ny lalàna izay voafaritra ho amin’izany, ary mampitandrina fa ho hentitra kokoa ny fisavana sy ny fampiharana ny sazy manoloana ireo izay mbola minia mandika izany. » hoy hatrany izy ireo tamin’ny alàlan’ny fampitam-baovao azonay.
m.L