Mbola tena mitana ny sain’ny maro eto Toamasina, ny raharaha fakana an-keriny an’Atoa Akil Cassam Chenai, noho ity tera-tany Indiana manana zom-pirenena frantsay ity manao asa soa betsaka, raha tsy hiteny mikasika ilay vary 50 taonina nomeny ireo traboina nandritra ny fandalovan’ny rivodoza AVA farany teo, sy ny fanampiany ny fikambanana mpitsabo aty amin’ny Fari-dranomasina Indiana ; izay manao fitsaboana maimaimpoana eto amintsika, indrindra amin’ireo toerana lavitry ny renivohitra. Efa ho feno tapa-bolana izao, mbola tsy hita ihany ny marina mikasika ny raharaha, na efa manao ny rehetra amin’ny fikarohana azy ny eo anivon’ny polisim-pirenena, sy efa manao ny fisavana rehetra amin’ireo trano sy toerana mampiahiahy ihany koa izy ireo izay nahatonga fimenomenonana tamin’ireo olom-panjakana sy olon-tsotra manana trano ao amin’ny “Cité tranomora” Barikadimy, izay natao savahao avokoa noho ny vaovao azon’izy ireo mikasika ity fakana an-keriny an’i Akil Cassam Chenai ity, nefa tsy mbola hita aloha hatreto izay vokany ireo mpaka an-keriny koa manana tahotra hifampiresaka amin’ny fianakavian’ity nalaina an-keriny noho ny fivoaran’ny teknolojia ka mety hahamora ny fahatrarana azy ireo ny fampiasana ny finday sy ny fitaovana mifandraika amin’izany hitakiana ny vola. Ankilan’izay dia tsy misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana amin’ny fikarohana ity tera-tany frantsay Indiana ity, izay mahatonga ny resa-be mandeha eto Toamasina amin’ny fisiana mpitandro filaminana ihany ao ambadika izao raharaha fakana an-keriny izao. Ankoatra izay, dia manomboka mailo avokoa ireo tera-tany Indiana manana ny zom-pirenena frantsay eto Toamasina, noho ny zava-misy ankehitriny, ka araka ny vaovao marim-pototra voaray, dia ao ireo namindra ny fianakaviany any ampitan-dranomasina aloha izay la Réunion sy Maurice no betsaka amin’izany, eo kosa ireo naka mpiaro manokana ny fianakaviany izy ireo ho fisorohana.
Malala Didier