- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversFakana an-keriny an’i Akil Chenai Cassam : Misy “valisoa goavana” ho an’ireo...

Fakana an-keriny an’i Akil Chenai Cassam : Misy “valisoa goavana” ho an’ireo olona manome vaovao marina ny emmo-reg

Nivoaka tamin’ny fahanginany araka ny baikon’ny tonia mpampanoa lalana mitarika ny fikarohana sy misahana ny antontan-taratasy, 12 andro taorian’ilay fakana an-keriny ireo mpitandro ny filaminana mitambatra (Emmo-Reg), nanazavan’izy ireo ny zava-misy sy ny asa efa mandeha. Nanomboka ny 02 febroary nitrangan’ilay fakana an-keriny an’i Akil Cassam Chenai tao an-tranony ao Salazamay nataon’ireo dimy lahy nirongo basy mahery vaika, sy ny nahitana ilay fiara laharana 2995 TR nitondrana azy nitsoaka tao Andranomadio P/elle 11/43, dia nohazavain’ireo mpitandro ny filaminana ireto, nahitana ny Kly Ralaikoa, ny kaomisera Razafindahy, ny kaomisera Raelison, ary ny komanda Rajaohasina, fa fiara novidiana teto Antananarivo fotoana fohy talohan’ilay fakana an-keriny ity fiara ity. Tao anatin’izay ihany koa no efa nisamborana olona 07 sy nihainoana olona 08 voalaza ary nisavana tranon’olona 08 hafa ihany koa tao Andranomadio sy Mangarano II ary Tsarakofafa, ka isan’ny voasava tamin’izany ireo tranon’olom-panjakana maromaro monina ao amin’ny “Cite Trano Mora” Barikadimy, izay nampisy fitarainana maro noho ny fahafam-barakan’izy ireo teo amin’ny fiaraha-monina noho baikon’ny tonia mpampanoa lalana.  “Tsy misy ny sakana amin’ny fikarohana ataonay”, hoy ny Emmo-Reg, saingy nomarihan’izy ireo fa “tsy maintsy arovana ihany koa ao anatin’izany ny ain’i Akil sy ny fianakaviany”. Izay no nahatonga azy ireo naka alika mpitsongo dia teto Antananarivo hanampy amin’ny fikarohana. Izay koa no nahatonga azy ireo nanova paik’ady ka nametraka “valisoa goavana”, izay mbola nohazonin’izy ireo ho tsiambaratelo ny sandany, ho an’ireo rehetra manome vaovao ho fanafahana sy ho fanavotana ny ain’i Akil. Efa misy ny soritra amin’ireo mpaka an-keriny izao, izay fantatra araka ny fanazavana ihany fa olona avy eto Toamasina ny 02 tamin’ireo 05 nanao izany, ary mbola eto Toamasina izy ireo hatreto mitady hevitra hahazoana ny vola takalon’ny ain’i Akil amin’ny fianakaviany; izay sarotra ho an’ireo mpaka an-keriny noho ny haavo lentan’ny teknolojia misy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici