- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversNosy-Varika : Vono olona tao Ambodilafa, Ben’ny tanàna iray voasambotra

Nosy-Varika : Vono olona tao Ambodilafa, Ben’ny tanàna iray voasambotra

Taorian’ny fitsaram-bahoaka nitranga tao Havohitrandriana Kaominina ambanivohitry Ambodilafa, Distrikan’i Nosy Varika, ny 31 Janoary lasa teo, ka nahafaty tsy tra-drano notetitetehan’ny olona tamin’ny antsibe ny jiolahy iray voasambotra tamin’ireo dimy nitam-piadiana nanafika mpivarotra iray tao Ambodilafa, ny alin’ny 27 Janoary, izay nahaverezana vola 3,4 tapitrisa Ariary sy nahafaty ny zanaky ny tompon-trano, dia nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao Mananjary ny Ben’ny tanànan’ Ambodilafa, Firaisamanana Victor Richard, ary naiditra “violon” ny 08 Febroary. Narary mafy tsy nahatsiaro tena ity olom-boafidy ity, ny asabotsy teo, ka tsy maintsy naiditra hopitaly ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Mananjary hatramin’izao, miandry ny fotoam-pitsarana azy rahampitso zoma, raha ny loharanom-baovao voaray. Manoloana an’ity raharaha mafana mahavoarohirohy Ben’ny tanàna arahin’ny mpanara-baovao maro akaiky ity, dia  nanao fanambarana niraisana sy naneho hevitra omaly ireo Ben’ny tanàna rehetra any amin’ny Distrika Nosy-Varika : “ Ny mahagaga anay dia nisy zandary roa lahy avy ao amin’ny borigady Ampasinambo no niara-niatrika ny famonoana ny jiolahy iray, ny 31 Janoary io, ka nahoana ny Maire izay voafidy sy mamim-bahoaka ihany, satria efa 23 taona naha Ben’ny tanàna azy, no notazomina sy atao famotorana ary nampidirina “violon”, hoy ny Filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna sady Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Fiadanana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici