- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Mpifoka rongony nosamborina tao anaty fasana

Ambohimanarina : Mpifoka rongony nosamborina tao anaty fasana

Raikitra ny fisamborana ireo mpifoka rongony etsy amin’ny boriborin-tany fahenina, etsy Ambohimanarina raha ny marimarina kokoa. Izany dia taorian’ny fitarainan’ny mponina eny an-toerana noho ny fisian’ny lehilahy maro izay mifoka rongony ankalamanjana. Nampitomboina araka izany ny fisafoana ny tanàna izay nataon’ny pôlisy miandraikitra ny boriborintany ary narahina hatramin’ny fofona niavian’ny rongony. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tao anaty fasana izay fantatry ny maro amin’ny hoe « Golan » no nahitàna ireo tovolahy roa. Izany dia amin’ny andro antoandro, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro. Tsy afa-niala intsony izy roalahy satria tratra am-bodiomby. Nilaza izy ireo fa mbola betsaka ny namany izay miara-mifoka eo amin’ny manodidina an’Anosisoa ary eny Anosivavaka no fividianana ireo zava-maha-domelina. Nilaza koa ireo tanora, nandritry ny fihainoan’ny polisy azy, fa efa samy nifonja. Ny voalohany dia  noho ny resaka vaky trano, izay nampigadra azy ny taona 2011 ka hatramin’ny 2017. Ny faharoa indray dia sinto-mahery finday izay nampigadra herintaona azy tamin’ny 2015. Midika izany fa misy hifandraisany hatrany ny rongony sy ny jiolahy ary ny asan-jiolahy. Miezaka ny polisy misahana iny boriborintany iny mba hijery ifotony ny mpamatsy rongony. Mitobaka loatra eto an-drenivohitra ny rongony ary midika izany fa betsaka ihany koa ny mpanjifa. Tamin’ny herinandro lasa teo dia nisy lehilahy izay mpamatsy avy any Ambovombe-Androy sy Fianarantsoa iny no sarona tetsy amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse niaraka tamin’ny rongony roa gony. Io farany dia niaro hatramin’ny farany ny tambajotrany ary tsy nanonona olona mihitsy fa mody fanina tanteraka. Raha ny marina anefa dia matoa tonga taty Andrenivohitra izany dia efa nisy ny kolikoly tamin’ny lafiny maromaro teny amin’ny lalam-pirenena.

D.R   

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici