- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFahalotoan’ny tananan’i Toamasina : Voaporofon’ny “Institut Pasteur” ny fisian’ny gripa mahery “type...

Fahalotoan’ny tananan’i Toamasina : Voaporofon’ny “Institut Pasteur” ny fisian’ny gripa mahery “type A H1N1” izao

Taorian’ny rivodoza Ava farany teo, teto Toamasina dia efa nahatsapa ny maro fa mirongatra ny gripa mahery mivadika ho tazo ary tonga hatramin’ny aretin-kibo sy kohaka. Vao mainka nahazo vahana izany na mbola tsy valan’aretina aza, araka ny fenitra napetraky ny minisiteran’ny fahasalamana noho ireo fepetra eo anivon’ny vondron’ny fahasalamana eran-tany (OMS). Nanomboka tamin’ny volana febroary ity, vokatr’ ireo loto sy fako mameno tanana izay iray volana sy tapany aty aorian’ny rivodoza mbola tsy afaky ny kaominin’i Toamasina ihany. Taorian’ny fandefasan’ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana, izay miara-miasa amin’ireo sampana misahana ny distrikan’i Toamasina I sy ireo toeram-pitsaboana madinika (CSB), ny fitiliana nalainy tamin’ireo marary manatona azy ireo teo anivon’ny “Institut Pasteur” eto Antananarivo, dia voaporofo araka ny valin’izany fa tena misy eto Toamasina ny gripa mahery ao anatin’ny “type A H1N1”. Nomarihan’ny Dokotera Romeo Razafimandimby sy ny Dokotera Daniel Randriamiravonjy, ary ny Dokotera Ulrich Razafijaona, izay nihaona tamin’ny mpanao gazety, tao amin’ny biraon’ny talem-paritry ny fahasalamana Atsinanana ny alakamisy antoandro, fa tsy misy ifandraisany amin’ny gripa azo avy amin’ny vorona izay nalaza tany ampitan-dranomasina akory ity gripa mahery “type A H1N1” misy eto Toamasina izao ity. Voalazan’ireo mpitsabo, fa toy ny fitrandrangan’ireo gripa mahazatra ihany izy ity, saingy miavaka kosa noho izy somary mahery vaika kokoa eo amin’ny aretin’andoha entiny sy ny hafanana haterany ary ny fitondrany aretin-kibo. Hatreto aloha, dia ampy tsara sy misy ny fitsaboana mikasika ity gripa mahery “type A H1N1” ity. Ny tsy fanaovana dokotera tena, ny fanatonana mpitsabo, ny fanarahana ny lalana ara-pahasalamana amin’ny fihinana sakafo maro loko sy misy vitamina, ary ny fahadiovana, ihany no fomba fandresena sy fisorohana azy tsara indrindra. Koa manentana ny tompon’andraikitry ny kaominina amin’ny fandraisana ny andraikiny ho fanadiovana ny tanàna ny mpitsabo, mba tsy ho tonga valan’aretina indray izao gripa mahery izao vao hiporoka  ny rehetra amin’ny adidy tokony hataony rehetra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici