- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Zazalahy 14 taona namono nahafaty vehivavy, matin’ny fitsaram-bahoaka

Sambava : Zazalahy 14 taona namono nahafaty vehivavy, matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany amin’ny Distrikan’i Sambava, ny asabotsy hariva teo, tao amin’ny Fokontanin’ Ambodimanga Bevontro, any amin’ny Kaominina ambanivohitr’ Antsavaribe. Zazalahy iray 14 taona voatondro ho namono nahafaty ka nanapa-doha zazavavy 14 taona zanakavavina Sefo Fokontanin’ Ambodimanga, tamin’ny alalan’ny fira antsibe, ny alakamisy hariva teo tokony ho tamin’ny dimy ora, no voasambotra ka niharan’ny hatezeram-bahoaka avy hatrany, ary maty tsy tra-drano voatoto vatobe sy voavely kibay ary voafiran’ny zava-maranitra. Efa maty ilay tovolahy voalaza ho mpamono olona ity vao tonga ny Zandary, ary voatery tsy maintsy nanao tifi-danitra ny mpitandro filaminana nanaparitaka an’ireo vahoaka efa romotry ny hatezerana. Araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, rehefa tsy nety naolan’ity tovolahy matin’ny fitsaram-bahoaka ity, tao an’alan’i Bevato ireto mpirahavavy zanaky ny Sefo Fokontany nanohitra azy, dia nokapainy tamin’ny antsibe lava lela, ka maty teo no ho eo tapa-doha ilay tovovavy kely 14 taona, raha naratra mafy kosa ny zokiny 25 taona, izay mbola miady amin’ny fahafetasana hatramin’izao, manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Sambava. Taorian’ny vono olona niseho tamin’ny fomba feno habibiana, dia raikitra avy hatrany ny fikarohana ny nahavanon-doza nitsoaka, izay mpiray tanàna sy mifankafantatra amin’ireo tovovavy maty sy naratra. Afak’omaly no tra-tehaky ny Fokonolona avy nandevina ity mpamono olona,  ka maty tsy tra-drano niharan’ny hatezeram-bahoaka.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici