- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversAlasora : Jiolahy efatra nitondra basy nanafika tokantrano, voatsindrona antsy ny mpiambina

Alasora : Jiolahy efatra nitondra basy nanafika tokantrano, voatsindrona antsy ny mpiambina

Tokantrano iray tao Amboasary, Ambodivoandava no lasibatry ny asan-jiolahy indray ny alin’ny zoma lasa teo. Vola manodidina ny iray tapitrisa ariary teo ho eo no very tamin’io, niampy fitaovana sarobidy maromaro. Tsy vitan’izay, fa mbola naratra voatsindrona antsy ihany koa ny mpiambina an’io tanana io. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo ho eo no tonga tao amin’ity tokantrano ity ny andian-jiolahy, tokony ho efa-dahy teo ho eo. Nirongo basy lava iray sy basy poleta iray izy ireo, araka ny tatitry ny zandary azonay. Tsy nipetra-potsiny tamin’io fotoana ilay mpiambina raha nahita ireto mpanafika, fa niezaka hatramin’ny farany nanohitra azy ireo. Tamin’izany fanoherany izay no nahavoa azy, raha ny fanazavana hatrany. Rehefa voafehin’izy ireo ity mpiambina ity, dia niditra an-keriny tao an-trano izy ireo, nibata sy naka izay zakany. Nisy nampandre avy hatrany ny zandary avy ao Alasora izay tonga teny an-toerana, 20 minitra taorian’ny nahatongavan’ireo olon-dratsy, saingy efa dila ireto farany. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany moa ilay mpiambina naratra. Ny sasany tamin’ireo mpitandro filaminana kosa nanao savahao ny manodidina sy nikaroka ireo mpanafika.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici